Namonjy ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy (Jiosy) tany amindry Dada izahay mianaka omaly talata 16 Mars 2010, Nasain'i Dada sy I Niry koa izahay ka dia namaly izany fanasana izany, izaho sy Kanto no nandeha, niampy an'i Nary sy vony telo mianaka. Ny mba hifankahita tava amin'ny Dada, Neny, Niry , Patrick moa no tena antony voalohany namalianay ny fanasana, sady efa elabe koa ny zanako no tsy nahita ny dadabeany ! Nahafinaritra ahy ny mahatsapa ny finiavan'ireo vondron'olona maro hanaja ny maha Malagasy, ary mitovy hevitra ny amin'izany aho, ka raha sanatria aza ka tsy nanasa i Dada dia tsy maintsy nantrika tany amin'ny toeran-kafa aho, satria tiako ny taniko , sy ny fombany (raha mbola ara-Baiboly ihany) Henoko koa fa sitrana i Zokivavy, tena vaovao mahafaly izany. Na izany aza dia lavitra loatra ilay toerana naleha satria efa tany @ Radio Nederland, any ambadika ben'I Sabnam no natao ny fety, |
Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy
vendredi 19 mars 2010
Taombaovao Malagasy
Inscription à :
Articles (Atom)