
Nanambady i Dada, taorian'ny nahafatesan'i Neny dia nanambady ihany i dada taona vitsy taty aoriana, mpiara-ivavaka aminy ihany no nalainy ho vady, tsotra dia tsotra ny fety , na izany aza dia faly izahay telo miana-dahy sy ireo vadinay avy nanatrika izany fisoratana izany,
amin'izao fotoana izao anefa dia tsy mifanerasera aminay firy intsony izy, vokatrilay fivavahana arahiny moa no anton'izany, mampalahelo mafy ahy mihintsy izany satria misy fotoana dia manotany ny dadabeany ny zanako! I Nary mivady sisa no mba havana akaiky ahy, soa ihany fa mbola misy ny fianakavian'i Dina, io ny sary tamin'ny mariazin'i Dada