Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy apokalypsy pasteur Mailhol diakona pasteur mailhol 2013

jeudi 13 octobre 2011

Journée de la Jeunesse Apocalypse (JJA 2011)

Journée de la Jeunesse Apocalypse (JJA 2011)
Eo andalana ny fikarakarana ny hetsika lehibe anakiray izahay izao, miaraka amin’ireo mpitarika tanora isan-karazany (Rantsana Oliva, skoto , mpandalina, club isika tanora sns) efa elaela ihany izay no tsy nikarakarako mivantana ny karazana hetsika lehibe tahak’ity ka somary mitebiteby ihany aho,
Andron’ny Tanora Apokalypsy andiany voalohany no ketrehina na Journée de la Jeunesse Apocalypse (J.J.A) 2011. eny amin’ny Park Analamana @ 20 Nov 2011

Andiany voalohany no atao, ka tsy mieritreritra zavatra mavesatra be aho, fa fitsangatsanganana no atao, ary fenoina lalao sy fanentanana isan-karazany kosa. Ny tanjona tokana dia ny hiarahan’ny tanora rehetra mifanotrona sy mifankatia amin’io fotoana io sy azahoan’izireo fafinaretana amin’izay programa hatao rehetra, raha izay no tanteraka dia efa afa-po aho !

Fantatro fa lehibe ilay hetsika raha oharina amin’ireo natao hatrizay, sady miainga avy amin’ny tsy misy (tsy misy vola entina miasa)  kanefa mino aho fa hahomby tokoa io hetsika io, satria fantatro tsara ny toetran’ireo mpiandraikitra tanora namana, sy ireo tanora rehetra eto anivon’ny fikambanana Apokalypsy

Tiako raha mba ho tonga manatrika io hetsika io avokoa ireo olona nasaina, indrindra fa ny Ptr Mailhol mivady, sady anisan’ireo olon-dehibe nasaina izy, ahitan’izireo ny fahaizan’ny tanorany (satria zanany ara-panahy avokoa ireo) miray hina sy miara-mientana. Tiako ho hitany sy tsapany ihany koa fa tsy miasa irery izy sy ireo mpiara-miasa aminy, fa misy antenaina tokoa ny fiangonana manana ireo tanora marobe ireo.
Sady tsy fotoana fipetrapetrahana intsony izao fa efa akaiky ny fotoana !