Nalaza be tato ho ato ny resaka subconscient na ny "amparahatoka" hoy ny voambolana Malagasy, efa ela no liana amin'io resaka io ny tena, saiky noheveriko ho "resaka famitahana" ihany ilay izy tany amboalohany ka mailomailo tokoa , Saingy rehefa dinihana dia tena resaka "science" ilay izy fa tsy fombafomba fivavaha tsy akory.
Maromaro izay boky novakiana izay, aleoko mikaroka manokana, sady izay koa no fomba mahomby indrindra ahitana ny marina! Tsy namonjy ilay seminaire aho nohon'ny fotoana tsy nifaninidry tsy fantatro raha tany ihany ry zalahy namana na tsia!, sady mandoa vola koa ilay izy (50 000fmg be izao!) Eny e! Ilaina ihany ny mampadoa vola ny olona, amin'izay dia tsapany hoe "zava-dehibe" ilay izy!
Betsaka no lafitsarany azo ampiharina amin'ny fiainana! Sady tena tsy ampoizina mihintsy ny vokatra azo…
Zavatra ohatry ny efa fantatra ihany ilay izy, fa ireo boky sy fanazavana isankarazany dia "nanaitra sy nampifoha" ilay fahalalàna efa tao anaty fotsiny!
Mety hisy olon-dratsy hampiasa ny fitrandrahana ny subconscient ho amin'ny ratsy, fa izany akory tsy hanakana ny antsika tsy hitrandraka azy…
Rehefa nodinihiko ihany koa dia manazava "zavatra" betsaka, mikasika ny anton'ireo fombafombam-pivavahana ny fahafantarana ny fomba fiasan'ny subconscient…
Ny manahirana amin'ity resaka subconscient ity dia betsaka ireo "zavatra" tsy azo azavaina amin'ny science ankehitriny!, (saingy izany akory tsy midika hoe tsy marina ilay izy)
Samy mandray izay tandrifiny aloha, dia izay liana dia izaràna, fa hilay raha mba mahafantatra ny tsiambaratelon'ny subconscient io daholo ny tanora namana, eny na ampahany kely fotsiny aza.
0 commentaires:
Enregistrer un commentaire